Lehilahy miisa roa namoy ny ainy taorian’ny nikarohan’ny mpamonjy voina azy ireo teny amin’ny ranon’Ikopa, tetsy Andohatapenaka sy Ambohitsoa, omaly.
Tovolahy vao erotrerony, 23 taona, natelin’ny ranon’Ikopa teny Andohatapenaka, omaly tolakandro. « Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo izahay tamin’ny 1 ora sy sasany ka nigadona teny an-toerana ny ekipa tamin’ny 1 ora sy 47 minitra », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, ny kaomandà Eric Ralaivanoro. Nanao ny asany avy hatrany ny ekipa. Nosaritina niakatra an-tanety ny vatan’ity tovolahy nokarohina ity. Hita izy, saingy tsy tana intsony ny ainy, araka ny fanampim-panazavana. Niara-nilalao rano tamin’ny namany miisa telo hafa ity lehilahy hita faty ity. Nafana rahateo ny andro ka heverina ho nanararaotra izy efa-dahy. « Tsy fantatra mazava ny nahazo an’ity naman’izy ireo ity, nahatonga azy natelin’ny rano », hoy ny fanazavana.
Nilatsaka
Ankoatra io, namoy ny ainy ny lehilahy iray 34 taona teny amin’ny fokontany Ambohitsoa, io omaly tolakandro io ihany. « Nifanindry an-dalana tamin’ny tranga teny Andohatapenaka ity tranga ity. Niatrana an-toerana ny ekipa ary nanao ny asany ara-dalàna », hoy ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nakarina an-tanety io lehilahy io, saingy efa tsy nisy aina intsony koa. Heverin’ireo manodidina izay nanatri-maso ho nisolifatra tampoka tao anatin’ny rano ity lehilahy hita faty ity. Mandritra ny vanim-potoana mafana toy izao, ilaina ny fitandreman’ny tsirairay amin’ny filalaovana rano amin’ny rano mandeha sy amin’ny toerana tsy azo antoka tahaka ny eny amin’ny ranon’Ikopa. Manentana hatrany ny mpamonjy voina hiantso ara-potoana azy ireo raha toa ka misy ny voina tampoka. Ireto farany izay manao ny ainy tsy ho zavatra hamonjena ireo mpiara-belona aminy.
Tsiferana R.





