Tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara, omaly, ny kodiaran-droa marika RSZ nangalarin’ny jiolahy tao Ambohimangakely. Manan-danja manokana ho an’ny tompony ity motokely izay nisy nangalatra ny 21 marsa lasa teo ity. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimalaza izy. Nanao ny fikarohana ny zandary taorian’ny nahazoan’izy ireo ny mombamomba ny moto. Hita soritra ny toerana nitondran’ny jiolahy ny moto, ny 12 oktobra teo. Nampiasain’olona tany amin’ny Renivohitra Toamasina io kodiaran-droa misy motera io. Nanao ny dingana rehetra nahafahana nanamarina ny moto halatra izay karohiny ny zandary. Nidina ifotony ny ekipan’izy ireo. Sarona tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Mangarivotra, ny moto. Mpiara-monina tsy lavitra no voalaza ho nanera izany. Namidin’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny facebook ity moto ity. Natao ny fikarohana ka voasambotra ny tompon’antoka.
Tsiferana R.





