TSELATRA

Lehilahy iray 36 taona voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fisolokiana sy fandrahonana mpampiasa Cash-point iray teny Ankaraobato, Ankadilalam­potsy, afakomaly hariva. Nidina teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR sy Ankaraobato vantany vao nahazo fitarainana. Nangataka hametraka vola 150 000 Ariary ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nety nanome ny vola tokony haloany ity farany ary nandrahona ilay mpiasa. Nahitana karapanondro ahina ho hosoka teny aminy.
Vehivavy iray voasambotry ny polisy teny Ankaraobato, omaly 23 oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora sy 27 minitra. Tratra nitazona zava-mahadomelina izy io. Nahitana fonosana rongony maromaro koa tao an-tranony nandritra ny fisavana nataon’ny manampahefana. Nafeniny tao anaty ondana izany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisim-pirenena izy.
Olona miisa fito voasambotry ny polisy, taorian’ny asa fisafoana nataon’izy ireo ny 22 oktobra 2026 lasa teo. Notafihin’ny jiolahy ny tranombarotra iray tao Salazamay. Nafatotr’ireo olon-dratsy ny olona tao an-trano talohan’ny nangalaran’izy ireo firavaka maromaro. Nahastikaritra izany ireo fokonolona ka nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy, ka lehilahy roa voasambotra. Natolotra ny polisin’ny SRPJ Atsinanana izy ireo.
Jiolahy roa, 27 taona sy 19 taona, tsikaritry ny polisy ho hafahafa sy nampiahiahy teny amin’ny Pont Verrerie sy Tanambao Verrerie, ny alin’ny 22 oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora. Niezaka nandositra izy ireo. Raikitra ny fifanjevoana ka voasambotra ny roa. Nahitana zavatra miendrika basy ny iray tamin’izy ireo nandritra ny fisavana, tsy nanana karapanondro ihany koa ny iray.

Partager sur: