Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny mpiandraikitra foibe FJKM taorian’ny fivorian’izy ireo nifarana tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny voaresaka ao anatin’izany ny raharaham-pirenena.
Nampahatsiahy ny FJKM amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao, araka ny soratra Masina sy ny nanomezan’izy Tompo andraikitra ny fiangonana : «Ianareo no fanasin’ny tany … ianareo no fahazavan’izao tontolo izao» (Mat 5, 13.14). Nahitsy, araka izany, ny hafatra sy ny fanambarana. «Sahia mandà sy manohitra ny kolikoly ary ny endri-pahalovana rehetra ka hijoro amin’ny fahamarinana», hoy izy ireo.
Etsy andaniny, nanentana ny zanany koa ny FJKM ary nanamafy ny efa nambarany tany aloha mba handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoham-pirenena ny kristianina. «Araka ny andraikitra nomen’ny fanjakana ny FFKM, natao hitarika izany, entanina isika kristianina rehetra handray anjara any amin’ny isan’ambaratonga manandrify antsika avy», hoy ihany ny birao foibe FFKM. Na eny anivon’ny fokontany, kaominina, distrika sy ny faritra ary ny sehatra nasionaly izany.
Dinika eny anivon’ny fokontany
Isika kristianina rehetra mihitsy no aoka hijoro handray anjara amin’ny dinika amin’izany fikaonandoham-pirenena izany, ankoatra ny olona telo (Trio), ahitana ny mpanamora, mpitantsoratra ary ny mpiandraikitra fitaovana, handrindra ny dinika eny anivon’ny fokontany. Antsoin’ ny FFKM ho tomponandraikitra hitarika sy handrindra isan’ambaratonga izy ireo, araka ny hafatra hatrany. «Ho fantatsika any amin’ny toerana sy ny sehatra misy antsika avy, araka ny fandrindrana ataon’ny FFKM, ny lamina rehetra momba izany. Mahereza àry, ka aoka hitombandahy isika ho an’ny firenentsika» (2 Sam 10, 12) », hoy izy ireo.
Tsiahivina fa anisan’ireo distrika nahavita ny fampiofanana ny Trio ny any Sambava sy ny tao Miarinarivo. Navitrika ny fandraisana anjaran’ireo olona tamin’izany, araka ny loharanom-baovaon’ny FFKM.
Synèse R.





