American Corner : mpampianatra teny anglisy 30 niofana

30 mianadahy indray ireo mpitarika English Club hahazo fiofanana sy torolalana maimaim-poana momba ny fananganana sy fitarihana ary fandrindrana ny sehatra fizàrana sy fampianarana teny anglisy.
Miofana mandritra ny roa andro eny amin’ny American Corner Antananarivo izy ireo.
Miandraikitra ny fandrindrana fikambanana mpankafy teny anglisy na English club moderators training (ECMT) izy 30 mianadahy ireo.
Nitarika ny fanokafana ny atrikasa, omaly, ny mpanolontsaina lefitra momba ny seraseran’ny masoivoho amerikanina, Laseanta Stafford. Misahana ny fiofanana kosa i Dr. Kathleen F. Malu, izay mpampianatra mpikaroka ao amin’ny William Paterson University ao New Jersey.
Mbola hisy ny fiofanana hafa hotanterahina amin’ny faritra hafa eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Kao­moro.
“Ilaina ny manampy ny fahaiza-manao sy manamafy izany na efa manana traikefa aza amin’ny fampianarana teny anglisy”, hoy ireo mpampianatra. Mahaliana ny tanora amin’izao fotoana ny mianatra tenim-pirenena vahiny ary anisan’izany ny teny anglisy.
Anisan’ny takin’ny mpampiasa amin’izao fotoana rahateo ny fifehezana ny teny anglisy ka antony hironan’ny tanora mianatra izany.

Tatiana A

Partager sur: