Nahazo fandresena telo tamin’ireo lalao telo nataony, ny ekipam-pirenena Barea zandriny, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ity fiadiana ny amboara maneran-tany, ho an’ny sokajy U15, taranja baolina kitra, “Fifa World Cup Festival U15”, izay tontosaina atsy Kirghizistan ity. Tao anatin’ny andro voalohany, nandresy an’i Mozambika, tamin’ny isa, 2 no ho 0, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo. Ny omaly kosa, resin’i Madagasikara tamin’ny isa, 4 no ho 3, avokoa, i Nouvelle Zelande sy i Porto Rico. Tsy mbola tapitra anefa ny lalao ho an’ny Malagasy mpilalao zandriny. Mbola hifandona amin’i Somalie, sy Venezuela ry zareo, ary raha mahita vokatra tsara eo, dia tafiditra anatin’ireo vondrona “A”, izay misy an’ireo firenena mendrika indrindra tamin’ity dingana voalohany ny fifaninanana ity. Ny farany herinandro ho avy io vao hifarana ny fifanintsanana « Fifa World Cup Festival U15 » ity. Ampahafantarina ihany fa amin’ity lalao ity, tsy 11 ny miakatra eny ambony kianja fa valo ihany, ary maharitra 40 minitra, zaraina fe-potoana roa ny fihaonana.
Fitia Randria





