Nandoro trano sy nandroba… : voasambotry ny zandary i Tombozandry sy ny namany

Tsy afa-bela teo anoloan’ny zandary sy ireo mpanara-dia ny andian-dahalo tarihin’i Tombozandry sy ny namany. Tsy vitan’ny mandroba ireo malaso fa sady mamono ihany koa…

Noraisim-potsiny! Tra­tran’ny zandary ireo dahalo enina voarohirohy tamina halatra tao La­vahandry, fokontany Lohano­sy, kaominina ambanivohitr’i Manambidala, distrikan’i Von­drozo, ny alahady teo. Nisy trangana halatr’omby enina narahina doro trano iray sy fandrobana entana maromaro tao Lavahandry, ny sabotsy 18 febroary 2023 tamin’ny 11ora alina. Dahalo ampolony nirongo fitaovam-piadiana no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Ny alatsinainy 20 febroary 2023 rehefa nanao fanadihadiana ny zandary sy ireo mpanara-dia, tratra ny omby miisa telo sy dahalo iray antsoina hoe Rafanomeza avy ao Antsoro, kaominina Ma­nam­bidala. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny zandary ka sesilany ny fisamborana. Vokany, dahalo enina tratra. Nandritra ny fisavana ny tranon’ny iray no nahatrarana basy iray tsisy taratasy marika Simplex Cal.16 sy entana halatra maro ary fitaovan-dakozia. Hita tao amin’ny jiolahy iray antsoina hoe Fran­cisca ity fitaovam-piadiana ity. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotorana.

Jean Claude

Partager sur: