Hiova tsy ho tahaka ny mahazatra. Natsidiky ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, miaraka amin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Andriamanantany Zely, tetsy amin’ny HJRA, omaly, ny hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fitsaboana mitety vohitra :”Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy sahady izany, ankoatra ireo hetsika hanamarihana izany. Eo ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana mitety vohitra, arahin’ny rodobe ho an’ny fahasalamana. Niainga tetsy amin’ny HJRA ka hitety ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ny lohahevitra :”Sarobidy ny aiko”.
Tsiahivina fa homarihina manokana ny 8 marsa eto Antananarivo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy amin’ity taona ity ka ho eo ambany fiahian’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy izany.
Synèse R.