Hifarana anio, any Doha, Qatar, ny Fihaonambe iraisam-pirenena faha-9 momba ny fampiasam-bola ho antoky ny fahavitan-tena ara-angovo sy ny fampandrosoana maharitra. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, miaraka amin’ny minisitra voakasika. Mikarakara ny hetsika ny Fihaonamben’ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), miaraka amin’ny fanjakan’i Qatar. Ho an’i Madagasikara, tombontsoa stratejika lehibe ny fandraisana anjara. Ahazoana mampahafantatra sy mampiroborobo ny harena sy ny fahafahana ara-toekarena ananana, manamafy ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena ary mikaroka fiaraha-miasa vaovao. Laharam-pahamehana ny fisarihana famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa sy ny angovo, ny fampiroboroboana ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fomba tomponandraikitra, ny fampandrosoana ny indostria, ny fanodinana eto an-toerana ireo akora fototra ary ny famoronana asa maharitra.
Manan-danja ho an’i Madagasikara ny fanamafisana ny fifampitokisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, indrindra amin’ ny fisarihana fampiasam-bola. “Andao isika hifampatoky. Safidio i Madagasikara”, hoy ny Praiminisitra malagasy tamin’ny anjara fitenenany. Eo koa ny fanohanana ny sehatra tsy miankina sy ny fampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena miteraka tombontsoa sy sanda fanampiny ho an’ny firenena. Manamafy ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena iraisam-pirenena i Madagasikara. Eo koa ny fampivelarana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fifampitokisana sy ny hampiroboroboana ny fampiasam-bola maharitra. Ho amin’ ny fanohanana ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ara-toekarena izany.
R. Nd.





