Hiakatra etsy amin’ny Pac 67 Ha ny « Raharaha Boeing 777” tany Iran, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Efa tokony ho notanterahina ny 22 oktobra teo izany. Tsiahivina fa azon’ny rehetra atrehina izany eny amin’ny Pac 67 Ha, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Natolotra ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ny tondrozotra mirakitra ny fikaonandohan’ny polisy, teny Ivato, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fitaovana hanamafisana ny fandriampahalemana, ny fahasamihafan’ny andraikitra sy ny olan’ ny sehatra tsirairay ary ny fitohizan’ny ezaka ho fanatsarana ny asa.
Efa natomboka ny fampianarana teny rosianina ho an’ireo depiote sy ny mpiasan’ny Antenimierampirenena. Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny firenena roa tonta koa ny famolavolana tetikasa vaovao sy ny fanitarana ny fampiroboroboana ny teny sy ny kolontsaina rosiana, hatrany amin’ny faritra, amin’ny alalan’ ny Maison russe.
Napetraka amin’ny toerany, omaly, ny arseveka « Coadjuteur » ho an’ny diosezin’i Fianarantsoa, ny Mgr Rakotojaona Jean Nicolas. Nitarika ny sorona Masina tao Ambozontany ny Mgr Rabemahafaly Fulgence ary nanotrona izany ireo eveka manerana ny Nosy, niaraka amin’ny solontenan’i Vatikana, ny Nonce apostolique Thomas Grysa.





