Hanomboka anio 27 oktobra ka hatramin’ny 31 oktobra izao, hotanterahina ao amin’ ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ilay hetsika lehibe fanao isan-taona, « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Omen-danja ao anatin’izany ny tontolon’ny soratra iray manontolo: ny mpanoratra sy ny aingam-panahiny, ny asa soratra, ny boky, ireo mpampiasa boky, sns. Aorian’ny fotoam-panombohana, ny maraina, hisy ny antsa sy ny haisoratra an-tsehatra.
Ho fanomezan-danja ny mpanoratra sy ny boky ary ireo mpampiasa boky indray, rahampitso « Alarobia miverina », hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro, no hamoahana manetriketrika ireo boky vaovao an’ny mpikambana tsirairay. Anisan’izany ny « Antsaiko ny an-tsaiko » mirakitra tononkalo sy ny « Be teny » tsangan-kainteny, tsangan-tononkalo, samy nosoratan’i Hajaina. Hisy koa ny fiarahana sy fihaonana amin’ireo mpanoratra sy sakaizan’ny Havàtsa-Upem tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny momba azy sy ny sanganasany. Anisan’izany Andrianasolo Hajaina (filohan’ny Havàtsa-Upem), i Solondrabe Soatsivahana Andry Tiana (Andry STVH), Fiphie (Fangia kalo gasy), sns.
Omena laka kosa ireo sampan’ny Havàtsa-Upem ny alakamisy 29 oktobra, mandritra ny « Alakamisy misampana ». Amin’io ihany koa ny hamoahana boky vaovao iraisan’ny sampana. Ny « Zoma manavàtsa », antsa hiarahana amin’ny Faribolana Sandratra. Famoaham-bokin’ny mpikambana. Hahazo sehatra kosa ny mpankafy kabary ny marainan’ny sabotsy 31 oktobra. Fankalazana ny faha-50 taona naha mpanoratra an-dRanjatohery Harilala ny tolakandro.
HaRy Razafindrakoto





