« Fifa World Cup Festival U15: Laharana faha-37 maneran-tany ny Barea

Nifarana omaly ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja baolina kitra, “Fifa World Cup Festival U15”, natao tany Azerbaïdjan. Eo amin’ny laharana faha-37 amin’ireo firenena 189 nifanintsana tamin’izany i Madagasikara. Tafiditra anatin’ny 50 tsara indrindra tamin’ity fifanintsanana ity izany ny Barea zandriny.

Tapitra omaly ny fiadiana ny ho tompondaka ma­ne­­ran-tany “Fifa World Cup Festival U15”, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona. Fifani­nanana notanterahina tany Azerbaidjan. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny Bareakely. Tsy nitsanga-me­natra ry zalahy satria nahazo ny laharana faha-37 maneran-tany tamin’ireo firenena 189 nifaninana. Tsiahivina fa ny fandresena azon’ny Barea,
2 no ho 1, nanoloana an’i Slo­vaquie sy 4 no ho 3 tamin’i Iran, no nahazoana io filaharana io. Nahavita lalao 10 ny Barea ka 8 fandresena ary roa faharesena. Raha tsiahivina, nahintsan’i Senegal, 4 no ho 0, teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny sokajy “Tier B” ny Bareakely. Teo koa ny faharesena nanoloana an’i Slovenie, nandritra ny lalaom-bondrona. Nandavo an’i Mo­zambika, Nouvelle Zelande, Ouzbekistan, Porto Rico, Irak, Slovakia, ary Iran ny Barea­kely. Azo lazaina fa tsara ny vokatra ho an’ny Coach Yvon sy i Naval tamin’ity andiany voalohany amin’ny fifanina­nana maneran-tany ity. “Tsara ny vokatra fa efa tafiditra ao anatin’ireo 40 voalohany. Mbola betsaka ny lesoka harenina ary maro ny lesona azo taty”, hoy ny Coach Yvon. Betsaka ireo mpilalao nisongadina tany an-toerana. Ani­san’izany i Francisco, nampiditra baolina roa, omaly. Teo ihany koa i Toky sy i Mendrika ary i Riciano.
Ampahafantarina ihany fa miisa 14 ireo mpilalao nandrafitra ny Barea ary ankizy novolavolaina tamin’ny sekolin’ny baolina kitra avokoa izy ireo. Marihina fa nanatrika sy nanohana ireo zandrikely tany an-toerana foana ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manampisoa Alfred.

Fitia Randria

Partager sur: