SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio indray ny andro fahenina, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa nasionaly. Ho an’ny etsy Ambohidratrimo, hifanandrina amin’ny CosPN 5 ny Disciples FC Espoir Analamanga. Ny GNFC Vaki­nan­karatra kosa hifandona amin’ny Black Star.

Efa hifarana ihany ity ny volana oktobra, hatramin’ny omaly, tsy mbola re sy hita fa mandeha ny asa fanamboarana ny bozaka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Marihina fa bozaka safiotra no hapetraka eo amin’io kianja io. Vina apetraky ny tomponandrai­kitra ny hahazoana fankatoavana avy amin’ny Caf.

Voafidy ho mpilalao nahazo baolina vola­mena mendrika indrindra “Ballon D’Or All Of Time (BOAT)” i Cristiano Ronaldo, portiogey lohalaharana ao amin’ny Al Nassr. Ilay baolina volamena azony tamin’ ny taom-pilalaovana 2007-2008, nahazo ny laharana voalohany ary i Messi kosa ny farany.

Partager sur: