Noravan’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsena manamorona ny farihin’i Behoririka, ny sabotsy teo. Nidina an-dalambe ny mpivarotra ka noravan’ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso.
Niroso tamin’ny fandravana ny ambina tsena manamorona ny farihin’i Behoririka ny eo anivon’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny atoandro mandrak’alin’ny sabotsy 31 oktobra 2026 teo. Nambaran’ny tomponandraikitra fa tombontsoa iombonana no laharam-pahamehana amin’ny asa izay tanterahin’izy ireo. Ireo trano fivoahana natokana ho an’ny daholobe no toerana narodana voalohany tamin’izany. Nanomboka nisy ny disadisa teo amin’ireo tomponandraikitra nanatanteraka ny fandravana sy ireo mpivarotra tsy nanaiky ny handravana, ny sabotsy atoandro. Taorian’ izay, tezitra ireo olona ka niaka-peo sy nifanandrina tamin’ny polisy monisipaly teny an-toerana. Nanomboka nilahatra sy nandoro kodiarana teo afovoan-dalana ireto olona ireto. Raikitra ny fifanjevoana teny an-toerana, nisy tamin’ireo mpitokona no nitora-bato. Nihanahery sy natanjaka ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpitokona nanomboka teo. Tonga teny ifotony nandrava ny hetsika sy nandamina ny fitokonana ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy nanaparitaka ireo mpitokona tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, araka izany, ny mpitandro filaminana. Naharitra ora maro ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Rava ihany ny hetsika ary nanomboka nilamina teny an-toerana ny sabotsy alina.
« Tsy ampy ny fotoana nomena ireo mpivarotra hialana eny an-toerana», hoy ireo mpivarotra nanontaniana teny an-toerana. « Tonga tety ny huissier, nilaza izy fa tapitra ny fe-potoana ka tsy maintsy miala izahay», hoy ihany ireo mpivarotra. Minitra vitsy taorian’izay, tonga teny an-toerana nandrava ny toerana fivarotana ny “bulldozer”. Nambaran’izy ireo hatrany fa tokony ho ny volana janoary ny fe-potoana tokony hialan’ ireto farany, taorian’ny fifampiresahana tamin’ny kaominina. “Tsy arak’izany anefa ny zava-miseho fa lasa aloha loatra », hoy izy ireo. Manoloana ny fandravana, betsaka ireo entana very sy tavela tao anatin’ireo trano fivarotana tsy maintsy narodana.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanadiovana sy fanarenana ny farihin’i Behoririka izao hetsika fandravana izao. Tanjona ny hisorohana ny fiakaran’ny rano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nanapa-kevitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa hanala ireo trano fivarotana manodidina ny farihy. Nanambara ny kaominina fa hafindra any amin’ny tsena vaovao ao Behoririka ireo mpivarotra voakasiky ny fandravana. Mbola mitohy ny asa fanarenana sy fanatsarana ny farihin’i Behoririka ho fisorohana ny fiakaran’ny rano mandritra ny fotoam-pahavaratra.
Mino





