TSELATRA

Tovolahy maty voatsindrona antsy nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto iray tany Ambo­sitra, afakomaly. Raha ny fanazavana voaray, taorian’ny tranga, voasambotry ny polisy ilay olona nahavanon-doza. Nirohotra nihazo ny biraon’ny kaomisaria ireo andian’olona mitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay voatazona.
Volamena milanja 231g indray no sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy hariva teo. Mpandeha, Malagasy iray, saika hiondrana amin’ny sidina Emirates no nahatrarana azy io. Nampiahiahy ireo mpiasan’ny Anaf (Agence nationale anti-fraude ) ity farany ka nampidirina bodyscan. Volamena tsy mbola voatom­boka marika (collier sy bracelet) ireo hita teny aminy, nandritra izany.
Jiolahy miisa 8 ikoizana amin’ny halatra sy vaky trano no nosamborin’ny zandarimaria tany Foulpointe, ny herinandro lasa teo. Niainga tamin’ny fahatrarana ny iray tamin’izy ireo izao vokatra izao. Nilaza ny namany miaraka manao halatra sy vaky trano izy ary nandeha ny fikarohana avy eo. Nahitana entana halatra maro, toy ny solosaina, finday, écran sy ny maro hafa teny amin’ireto olon-dratsy ireto.
Jiolahy raindahiny miisa roa maty voatifitry ny polisy tany Port Bergé, ny zoma 30 oktobra 2026 lasa teo. Voatifitra nandritra ny fifanjevoana izy ireo. Nahitana basy vita tanana iray teny amin’ireto farany. Marihina fa polisim-pirenena iray naratra, nandritra izany.

Partager sur: