Misaona ny tontolon’ny taranja tenisy eto Madagasikara. Nindaosin’ny fahafatesana, ny sabotsy lasa teo, teo amin’ny faha-75 taonany, Ravalitera Rafolomanantsiatosika. Ny aretina namely azy nandritra ny fotoana ela no nitarika ny fahafatesany, araka ny tati-baovao. Olona tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ ny fanatanjahantena Ratompokolahy Ravalitera, satria niaina sy nandany ny hatanorany tao anatin’izany. Anisan’ny nahalalana azy ny taranja tenisy. Mpilalao, mpanazatra ary tale teknika nasionaly sady mpampianatra teny amin’ny Oniversite. Maro ireo anaram-boninahitra azony, na fony izy mbola niakatra kianja na izy efa nisahana ny ekipam-pirenena. Betsaka ireo mpilalao novolavolainy, raha tsy hilaza afa-tsy Rakotomalala Ando sy Niriantsa izay efa tompondakan’i Madagasikara, izay efa milaravinahitra any ivelany. Manan-janaka an’i Valisoa sy i Aina izy, izay samy mpilalao tenisy ihany koa ary efa tompondakan’i Madagasikara avokoa. I Aina izay mpanazatra ny ekipam-pirenena zandriny, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo. Anisan’ireo olona nampiditra ny tenisy an-tsekoly ary nanofana mpampianatra maro Ratompokolahy. Ankoatra ny tenisy, nalaza teo amin’ny volley-ball koa Ravalitera. Namela mananontena sy kamboty mirahavavy ary zafikely 3 izy. Hotanterahina amin’ity alatsinainy ity, any Fandriana, ny fandevenana azy. Mirary fiononana feno ho an’ny tontolon’ny tenisy sy ny fianakaviany ny Gazety Taratra.
Tompondaka





