Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny pejiny, fa hisondrotra ny fanampin-karama omena ny mpampianatra tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana (ENF) manomboka eny amin’ny akany fibeazana hatramin’ny Lycée manerana ny Nosy.
Hiakatra ho 150 000 Ar izany ho an’ny mpanabe eny amin’ ny akany fibeazana sy ny ambaratonga voalohany raha 110 000Ar teo aloha. Lasa 180 000 Ar kosa ho an’ny mpampianatra eny amin’ny CEG raha 120 000 Ar teo aloha. 200 000 Ar ny tohana ho an’ny mpampianatra eny amin’ny Lycée, raha 150 000 Ar hatramin’izay. Isaky ny roa volana no misitraka ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ny mpampianatra ENF.
Nanambara koa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa efa tonga eny anivon’ny Trésorerie générale, Trésorerie principale ary ny Perception principale ny vola ho an’ny caisse école RPI sy FCE ho an’ny EPP sy ny CEG. Misy ny antontan-taratasy ilaina ho an’ny sekoly hisitraka izany. Efa afaka maka ny vola ireo feffi nahafeno ny fepetra.
Vonjy





