INDRAY MIJERY

Nampahafantarina ny mponina ao Ambo­di­hady Ambohimanarina ny loza mitatao ho an’ireo mipetraka manodidina ny espace Sensas. Ahitana hantsana misy vatobe efa ahatsikaritana fahavakisana eny an-toerana. Taorian’ny fijerena ny zava-misy, herinandro lasa izay, nidina fanindroany teny ny avy amin’ny BNGRC sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tapaka fa hanamboatra lakandrano hafa tsy mandalo akaikin’ity toerana ahina ity ny mponina, ka hanao tantsoroka izany ny kaominina.

Nankalaza ny Andron’ny nokleary ny ivontoeram-pikarohana INSTN, eo ambany fiahian’ny Mesu­pres, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny
« Teknolojia sy angovo nokleary » ny lohahevitra. Nampahafantarina ny fampiasana ny teknolojia
nok­leary amin’ny sehatra maro, toy ny famokarana angovo, ny fitsaboana…. Nisy ihany koa ny adihevitra momba ny fanekena ara-tsosialy ny fitrandrahana
harena an-kibon’ny tany, mety ahitana akora radioak­tifa sy ny anjara toeran’ny angovo nokleary amin’ny fampivoarana ny loharanon’angovo eto Madagasikara.

Notanterahina nandritra ny roa andro, tao Antsirabe, ny « Forum des métiers – Ny anjara asako » ao anatin’ny tetikasa Anjara, iarahan’ny SOS Villages d’enfants Madagascar, Action éducation ary ny PFSCE manatanteraka. Vatsian’ny Vondrona eoropeanina sy ny SOS Villages d’enfants Danemark vola, hampi­fandraisana ny tanora amin’ny tontolon’ny asa sy ny fiofanana arakasa izy io. Sehatra miisa 13 no voaka­sik’izany.

Partager sur: