Ora fiasan’ny mpiasam-panjakana : Amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva

Fanavaozana! Miditra amin’ny 8 ora, mirava amin’ny 4 ora tolakandro avokoa ny mpiasam-panjakana. « Efa voafaritry ny lalàna izany », hoy ny tale jeneralin’ny asam-panjakana, Randrianaivosoa Onivololona, ny faran’ny herinandro teo.

Manamafy ny minisiteran’ny Asam-panjakana fa araka ny didim-panjakana laharana 2009- 919, ny 14 jolay taona 2009 momba ny ora fiasana ho an’ny mpiasam-panjakana amin’ny andininy fahatelo, manomboka amin’ny 8 ora maraina ka ha­tramin’ny 4 ora hariva izany. Tafiditra ao ny fotoana fiatoana hisakafoana mandritra ny 30 minitra, isan’andro. Ora valo isan’andro ary 40 ora isan-kerinandro ny faharetan’ny ora fiasana ho an’ny tsirairay ary mbola manamafy izany ny lalàna laharana 2003- 011 mirakitra ny sata mifehy ny mpiasam-panajakana amin’ny andiany faha-13 milaza fa ny mpiasam-panjakana rehetra dia tokony hanaja ny ora fiasana amin’ny fahatongavana eny amin’ny toeram-piasana amin’ny ora voatondro,  eo koa ny fahavitrihana sy fahavononana amin’ny asa ka ireo dia tokony hatao amin’ny fangaraharahana sy fitoviana tanteraka ho an’ny mpiasa rehetra.
Nasiany fanazavana koa fa ho an’ny « agent non encadré de l’Etat » izay voafehin’ny 94- 025 ao amin’ny andininy faha-6 milaza fa manana adidy hanaja ny ora fiasana manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva koa izy ireo.
Misy ireo mpiasam-panajakan manana sata mifehy manokana, toy ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ka ny sata manokana no mamaritra ny ora fiasana ary mbola hamafisin’ny didim-panjakana laharana 2009 -969.
Ny fampiharana ny ora fiasana any amin’ny faritra dia araka ny faritra sy ny sokajin’asa ataon’ilay mpiasam-panjakana, amin’ny alalan’ny didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny tomponandraikitra samihafa sy ny minisitera misahana ny Asam-panajakana ary hamafisin’ ny sata mifehy.

Vonjy

Partager sur: