TSELATRA

Vehivavy 20 taona hita faty nihantona tao amin’ny fokontany Antanimenakely, kaominina Ilaka Centre, omaly. Ahina ho namono tena izy, raha ny fahitan’ny nanatri-maso ny razana. Niroso amin’ny fizahana ny mpitsabo ary manao fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Lehilahy malagasy 23 taona sy olona roa hafa nosamborin’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina ao Maorisy, ny 1 novambra teo. Nitondra zava-mahadomelina avy aty Antananarivo ny teratany malagasy iray. Nosavain’ny mpitandro filaminana misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao an-toerana izy. Tale an’orinasa sy lehilahy iray ireo roa hafa voasambotra.
Olona miisa telo voasaringotra tamin’ny vono olona tao Ambositra, naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny 1 novambra teo. Vesatra hiampangana azy ireo ny fandraisana anjara tamin’ny tsindrona antsy nitarika tamin’ny fahafatesan’i Diary.
Hiakatra fitsarana ny 15 desambra ho avy izao i Tinah sy ny vadiny izay niara-nisoloky olona nandritra ny taona maro. Voasambotra ny herinandro teo izy mivady ary notanana vonjimaika any am-ponja, nanomboka afakomaly. Fisolokiana tsy latsaky ny 7 no hanenjehana azy ireo, araka ny loharanom-baovao.

Partager sur: