Misoko mangina. Tsy azo ihodivirana ny hirosoan’ny FFKM amin’ny famoriana ireo zanany, araka ny tetiandro efa napetrak’izy ireo. Nanamafy izany ny eo anivon’ny mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena.
“Nitady rafitra iray isehoan’ny tsy fombana ny atsy na aroa hikarakara fikaonandoham-pirenena no dingana natao. Ny FFKM no neritreretinay tamin’izany. Nanao antso tamin’ny FFKM izahay mba hahazoana miroso amin’izany. Efa namaly iny ny FFKM, efa namoaka tetiandro hanatanterahany an’izay.” Io ny nambaran’ny mpandrindra eo anivon’ny Komity teknika iombonana (CMT) misahana ny fikaonandoham-pirenena avy amin’ny vondron’ny mpanohitra, ny depiote Tim voafidy teny Ambohidratrimo, Rabenirina Maminiaina, momba ny firosoan’ny Fiombonan’ ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) hanatanteraka fikaonandoham-pirenena raha tsy misy ny fiovana.
“Miroso isika fa mifanaraka amin’izay neritreretinay ny valin-tenin’ny FFKM”, hoy izy. Eo amin’ny fandaminana ny lafiny fampiharana sisa no hiarahan-dry zareo mijery amin’izany.
Hatao amin’ny aogositra
Mino izy fa ho tratra ny tanjona. Satria voalaza fa manasa ny FFKM. Hamaly ny fanasan’ny FFKM ary ho avy mavitrika amin’izany ny CMT, izay tompon’io sosokevitra io hatrany am-boalohany. Efa manomana ny fiatrehana an’izay fikaonandoham-pirenena izay ny CMT amin’izao.
Amin’ny faran’ity volana marsa ity ny dingana voalohany, araka ny fanambaran’ ny FFKM. Hampiantsoan-dry zareo ny rafitra eo anivon’ny FFKM aloha izay. Amin’ny volana jona ny dingana fidinana any amin’ny faritra. Miitatra any amin’ny faritra ny fakana sy fanangonan-kevitra. Any amin’ny volana aogositra ny fihaonambem-pirenena.
R. Nd.