“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toeran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra nolanian’i Madagasikara taorian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Firenena mikambana (ONU), tamin’ ny 23 febroary lasa teo, ny fialan’i Rosia any Ukraine.
Mba hampivoatra ny zava-misy ankehitriny iny fanambarana iny. Jerena amin’ny solomaso ho amin’ ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny soa iombonana ny diplaomasia malagasy, araka ny fanazavany. Noho izany, milaza iny fanambarana iny fa mitaky fandriampahalemana maharitra i Madagasikara. Satria mafy loatra ny entin’ny vahoaka malagasy amin’ny fisondrotam-bidin’ ny entana amin’io ady any Ukraine io.
50 taona tamin’ny taon-dasa ny fifandraisana diplaomatikan’i Rosia sy i Madagasikara. Nisy ny fanaovana jery todika ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta eo amin’ny lafiny maro. Ho hita eo ny fivoaran’izay fiaraha-miasa izay.
R. Nd.