Namoaka fanapahana ny eo anivon’ny HCC, omaly. Namaly ny fangatahana sy fanontaniana nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, momba ny fifidianana.
Namaly izany ny HCC, araka ny fanapahan-kevitra navoakan’izy ireo fa azo raisina ny fangatahan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, momba ny fanatanterahana ny fitsapankevi-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. “Tsy mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalàna ny fanatanterahana ny fitsapankevi-bahoaka, hanovàna lalàmpanorenana, mialoha ny fifidianana filoham-pirenena”, hoy hatrany ny HCC.
Midika izany fa mifanaraka amin’ny tondrozotra efa voafaritry ny fitondrana Fanavaozana izao fanapahana noraisin’ny eny Ambohidahy izao. Mandeha sy tanterahina mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny fitsapankevi-bahoaka. Ny eo anivon’ny Ceni aza efa nanombana ny hanaovana izany, ny volana jolay 2027, raha mialoha ny faran’ny taona 2027 kosa ny fifidianana filoham-pirenena.
Etsy andaniny, samy mitaky ny hanolorana lalàmpanorenana hosafidian’ny vahoaka avokoa ireo antoko politika. Na ireo nanolotra sosokevitra teny Iavoloha, ny septambra lasa teo, na ireo ivelan’izany. Araka izany, andrasana ny fanazavan’ny eo anivon’ny fitondrana Fanavaozana momba io fitsapankevi-bahoaka io na koa ireo antoko sy mpanao politika na ny fiarahamonim-pirenena
Synese R.





