Nekena ny fametraham-pialana nataon’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Andriamampiadana Mahefa. Voalazan’ny fampitam-baovao ofisialy fa manana olana ara-pahasalamana izy. Nandray ny asany avy hatrany ny mpisolo toerana vonjimaika, dia ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Efa vita omaly ny fifamindrana asa teo amin’ ny roa tonta. Hiandraikitra ny asa maika sy ny hamehana ny mpandimby toerana, mandra-pahavoatendry izay ho solony.
Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fanoloana ity mpikambana amin’ny governemanta ity. Andrasana raha hiroso amin’ny fanoloana ny mpikambanana heverina fa tsy nahomby ao amin’ny governemanta ihany koa ny filohan’ny Fanavaozana.
r.r





