Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Itaosy ny Fikambanan’ny zanak’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny lahatenin’ny filoham-boninahitra, Navony Pierre Lenoble tamin’izany. “Aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika isika zanak’i Sofia. Aza manaiky hosaraham-bazana sy ampiadiana”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’ny Fizama, Tsiarovana Bergès Angelino ka nilaza fa tsy manao politika ny Fizama. Mandray anjara amin’ny fampivoarana ny mpiara-belona sy ny fampandrosoana ny distrikan’i Mandritsara kosa anefa izy ireo, araka ny nambarany. Notanisainy avy eo ny olana any an-toerana. Anisan’izany ny haratsian’ny lalam-pirenena avy ao Antsohihy – Mandritsara, tsy mety vita tara. Ny olan’ny rano fisotro, indrindra fa rehefa maintany. “Mihady fasika eny amin’ny reniranon’i Mangarahara ny mponina mba hahazoana rano ampiasaina ao an-tokantrano”, hoy izy. Manampy izany ny tsy fananana tohodrano hanondraka ny tanimbary.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa manana toerana azo itrandrahana herinaratra i Mandritsara ary afaka mamatsy izany amin’ny faritra maro raha vita.
Hanolo-tanana ireo vonona hampandroso
Nanentana ny fiarahana misalahy amin’ny fampahatsiahivana ny fitondram-panjakana mba hamaha ireo olana ireo ny filohan’ny Fizama Antananarivo. “Tolorantsika tanana ireo vonona hampandroso ny distrikan’i Mandritsara”, hoy ihany izy.
Nisaorany ny ezak’ireo ben’ny Tanàna sy ireo filohan’ny fokontany ary ny depiote voafidy any an-toerana, miaraka amin’ny governora, na tsy tonga niatrika izany aza, nefa nandrasan’ny maro. Tsy voaresaka tamin’ny lahateny kosa anefa ny fangatahana amin’ny fitondram-panjakana ny hanomezana toerana depiote miisa roa ho an’ny distrikan’i Mandritsara.
Tsiahivina fa tonga maro nanotrona izany ireo zanaky ny distrika enina hafa any Sofia, niaraka amin’ireo sojabe sy manamboninahitra sivily sy miaramila zanak’ iny distrika iny. Ireo minisitra na olom-boafidy teo aloha na koa ireo mbola manana andraikitra, amin’ izao fotoana izao eny anivon’ ny minisitera na sampandraharaha samihafa.
Synèse R.