Mila jadona tsotra izao

Rwanda bis! Iza no tsy nahalala fa firenena nanjakan’ny kolikoly sy ny endri-pahalovana rehetra ity firenena afrikanina ity? Aiza anefa no misy azy ankehitriny. Tanàna mandroso, vahoaka miadana, sangany amin’ny zava-drehetra. Tsy misy tsy mitsiriritra azy hatramin’ny vazaha be aza. Maodely aty Afrika na misy aza ny indrokely ara-diplaomatika, mahakasika sisintany. Ankoatra izay azo leferina tokoa.
Inona no mahatonga izany? Jadona! Mazava ny antony, nahasahy nihenjana ilay fanjakana nijoro. Nanenjika sy nanasazy ireo trondro goavambe.  Tsy vitan’izany fa nisy fomba amam-panao tsy fampiseho masoandro mihitsy nahafahana nanavao. Fongotra hatrany ifotony tokoa ny tsy fandehan-javatra isan-karazany. Rava rafahantrana sy ny tarazo mangirifiry navelan’ny ady an-trano. Niongotra hatrany amin’ny fakany ny saina tsy te hivoatra.
Nalaza be aza tamin’izany fotoana fa misy tsy nampandalovina fitsarana ny tomponandraikitra ambony tratra manao kolikoly. Na minisitra io, na mpitsara, na manam-boninahitra, rehefa sehatra  rehetra nahitana kolikoly dia samy nahazo ny anjarany. Nanaovan’ny fitondrana ny he­tsika tsy ninday mody izy ireny, navily lalana mankany amin’ny Ray any an-danitra na manaraka an’i satana any amin’ny afobe.
Tsy nisy antra ho an’izay voasafidy ny hatao sorona ho maodely amin’ny fitadiavana ny marina sy ho fijoroana amin’ny ara-dalàna…Mila ny tahaka izany ity Madagasikara ity. Tafahoatra ny kolikoly sy ny afera masiso. Mijaly ny vahoaka. Afa-baraka ny firenena ka mila mahasahy Rakolonely raha tena mihevitra ny hanova tokoa.

r.r

Partager sur: