Fampandrosoana eny ifotony : Mangataka tohana ara-bola ny ben’ny Tanàna

Efa natolotra ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny taratasy avy amin’ireo ben’ny Ta­nàna. Miandrandra ny valin’izany izy ireo ho amin’ny fanohanana ny fampandrosoana eny ifotony. Anisan’ny nangatahin’izy ireo ny momba ny « Subven­tions » ka mba hatrany amin’ ny 60 tapitrisa Ar ny fampandehanan-draharaha. Tokony hisitraka ilay «Complé­men­taire» avo­koa ny kaominina rehetra na latsaky ny 5 000 aza ny isan’ny mponina. Ham­pia­karina ny tambiny amin’ny andraikitra maha ben’ny Tanà­na. Takin’ ireto mpitantana eny ifotony ireto koa ny hampiakarana hatrany amin’ny 14% ny tetibola ho an’ny kaominina, amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola taona 2027.
Etsy andaniny, tokony hisitraka fisotroan-dronono avy amin’ny fanjakana sy amin’ny alalan’ny fanapahan’ny filankevitra kaominaly ireo ben’ny Tanàna mahavita fe-potoam-piasana maromaro. Tokony hisitraka ny zo tsy azo enjehina koa izy ireo ary ny alalana sy ny fanapahan-kevitry ny minisitera vao azo enjehina ara-pitsarana. « Tokony hanana mpisolovava hatrany ny kaominina amin’ireo raharaham-pitsara­na », hoy ny fangatahana.
Mangataka teknisianina na mpahay lalàna isaky ny distrika, hiara-kiasa aminy koa ireo ben’ny Tanàna ho amin’ny fanatsarana ny fitakiana sy ny fampidirana hetran-trano sy ny tany. Tafiditra ao anatin’ny fangatahana ny tokony hahazoana moto.
Momba ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) kosa, mangataka ny hananany minisitera manokana hiahy azy ireo kaominina. Tohizana sy hatsaraina ny fampiofanan’ny INDDL.
Manampy ireo ny tokony hisitrahan’ireo ben’ny Tanàna mariboninahi-pirenena « Titre honorifique » ho an’ireo efa nitantana kaominina, nihoatra ny fe-potoam-piasana intelo.
Nangatahin’izy ireo koa ny tokony hanafoanan’ny Cnaps ny trosa amin’ireo kaominina sasany tamin’ny fotoan’ny Covid-19.

Synèse R.

Partager sur: