Tokony hatao mangarahara tanteraka ny fandravonana ireo sosokevitra natolotry ny antoko politika hanatsarana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny RDS, Andrianirina Fetison. « Tsy tokony haverina ny fomba fanao taloha, ka hevitra efa voaomana mialoha no aroso amin’ireo mpandray anjara amin’ity fakan-kevitra faharoa ity », hoy izy.
Voatendry ho kaonsily jeneraly ao amin’ny kaonsilin’i Madagasikara, any Marseille Frantsa, Hery Harison Jean Luc. Voatendry ho tale jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Sojarison Tahiriniana Juliano. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha ireo.
Mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana no hanatanterahan’ny KMF/Cnoe ny fanaraha-maso, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, Tolojanahary Anceliot.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny fandraisany anjara amin’ny fikaonandoha nasionaly ho fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2027.
Nihaona amin’ny vahoakan’Ambohimiadana, Andramasina ny avy amin’ny RCR, Razafiarison Laza, ny herinandro teo. Nambarany fa miankina amin’ny vahoaka ny fahavononana ho amin’ny fanovana rafitra. « Izany no ahafahantsika mandeha any amin’ny fampandrosoana miaraka ny firenena », hoy izy.





