TC 2.3 PIARC: Fotodrafitrasa maharitra sy angovo madio

Mivory eto Antananarivo ny manampahaizana iraisam-pirenena momba ny fotodrafitrasa ho an’ny fitaterana an-dalambe. Mifanindran-dalana amin’izany ny fanombohana ny tetikasa Smart Clean Cooking.

Tetikasa roa izay samy vatsian’ny Opec Fund vola. Miara-miasa amin’ ny PIC sy ny minisitera voakasika ny mpamatsy vola. Tan­te­rahina ao amin’ny Novotel Alarobia, ny seminera iraisam-pirenena TC 2.3 an’ny Fikam­banana iraisam-pirenena momba ny lalana (Piarc), Ny 4 ka hatramin’ny 6 novambra. Mifantoka amin’ny faharetan’ny lalana sy ny fitaterana en­tana ny dinika. Mandray anjara amin’izany ireo manampahaizana, mpanapa-kevitra ary solontena avy amin’ny firenena maro. Sehatra ifanakalozana traikefa sy fomba fanao tsara momba ny fitaterana sy ny varotra ity fihaonana ity.
Notsindrin’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, fa « mila arindra sy atao laharam-pahamehana ny asa fanamboaran-dalana ». Nohamafisiny koa ny maha zava-dehibe ny fikojakojana mialoha sy ara-potoana ny lalana. Ilaina, hoy izy, ny mangarahara eo amin’ ny fitantanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny manampahaizana malagasy.

Angovo madio
Eo amin’ny angovo kosa, mikendry ny hampiroborobo ny fomba fahandro madio kokoa ny Smart Clean Cooking. Haharitra ny taona 2026 ka hatramin’ny 2031 ny tetikasa. Hampiroborobo ny fatana mitsitsy angovo sy ny fampiasana ny biogaz ity tetikasa ity. Nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabearimanga Radonirina Lucas, fa kendrena ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana angovo madio amin’ny fandrahoan-tsakafo. Avy amin’ny 14 % eo ho eo ankehitriny izany no kasaina hahatratra 30 % amin’ny 2030, ary 80 % amin’ny 2035.
Ankoatra ny fahasalamana, mikendry ny hiaro ny ala sy hanatsara ny fiainan’ny tokantrano ity tetikasa ity. Tokony hampihena ny fampiasana kitay sy saribao izany, indrindra ho tombontsoan’ny vehivavy sy ny ankizy.

Henintsoa

Partager sur: