Ankoatra ireo taranja efa mahazatra, tsy vitsy ireo sekoly na toeram-pampianarana manome fahalalana momba ny zavakanto sy ny fomba malagasy ho an’ny mpianatra, tamin’ity taom-pianarana ity.
Singa iray niteraka hafanam-po hizotra ho an’ny fanomezan-kasina indray ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao malagasy ny fisian’ilay valanaretina « covid-19 », ny taona 2019. Nandray izany ihany koa ny tontolon’ny fampianarana… Ankehitriny, mitombo isa izy ireo. Ho an’ireo toeram-pampianarana tsy miankina amin’ny fanjakana. Sekoly 7 amin’ny 10 no nisafidy ny hisian’ireny taranja ivelan’ny mahazatra ireny na ny « activité parascolaire ». Ny taona 2000, mbola sekoly 2 tao anatin’ny 10 ihany izany. Ho an’ity taom-pianarana 2026 – 2027 ity, anisan’ny mahazo vahana ny fianarana kabary sy fitendrena zavamaneno malagasy ary ny fomba amam-panao.
Mbola mitoetra ho olana, anefa, ny fananana mpampianatra hiantsoroka azy ireny. Maro ny mahay mikabary, mitendry zavamaneno, mpahalala ny fomba. Saingy, vitsy kosa ireo manana fahaizana amin’ny fampitam-pahalalana. Tsy vitsy ireo tomponandraikitra na ireo mpitantana sekoly no mangetaheta ny hiverina amin’ny maha malagasy. Saingy, mbola tafalatsaka ao anaty tahotra izy ireny, satria, toa tsy tafara-dalana ny fahalalana ny maha Malagasy sy ny fahaizana mampianatra.
Iray amin’ireo vahaolana naroson’ireo mpitantana sekoly sy toeram-pampianarana ny hanomezana fiofanana ny mpampianatra miandraikitra ny « activité parascolaire ». Nambaran’ireto mpitantana sekoly ireto fa « tsy olana ny tsy fananan’ireny mpampianatra parascolaire ireny mari-pahaizana amin’ny taranja ampianariny, satria, mbola vitsy amin-dry zareo no nianatra izany. Sarotra ihany koa no itakiana izany, satria, saika nentin-drazana ny ankamaroan’ny taranja ao anatin’io ».
HaRy Razafindrakoto





