Hetsiky ny mpanakanto: Hanaovana tolo-tanana i Bekoto

Hanatanteraka seho marososona etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, ny 14 novambra 2026 ho avy izao, ny mpanakanto malagasy rehetra. Manomboka amin’ny 4 ora hariva ny hetsika, raha ny fanazavana nataon’ireo solontenan’ny mpanakanto omaly, teny an-toerana. “Hatokana manontolo ho fanampiana ny fitsaboana an’i Bekoto any Paris Frantsa, ny vola azo rehetra mandritra io hetsika io”, hoy izy ireo. Namba­ra hatrany fa ny mpanakanto rehetra eto Madagasikara no hanatanteraka io seho io. Ahitana seho samihafa avokoa ny efitrano miisa efatra eny an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hisy ny seho anaty efitra natokana ho an’ireo olona mianjaika na ny VIP. Misy ny seho anaty efitra natokana ho an’ny tanora. Eo koa ny natokana ho an’ny mpankafy (Fun) tarika Mahaleo. Eo koa ny afon-dasy izay natokana ho an’ireo mpankafy gitara amin’ny endriny maro. “Fotoana iray ihany koa io hetsika io mba ho ambohi-pihaonana sy hampisehoana ny firaisankinan’ny mpanakanto malagasy rehetra”, hoy i Ken. Nambaran’i Popoly, zanak’i Bekoto, fa nanomboka narary ny dadany tamin’ny taona 2023. Nisy nidaroka tamin’ny “bois rond” tany Antsirabe izy tamin’izany, ka voa mafy teo amin’ny lohany. Nezahin’ny fianakaviana notsaboina sy tsy nampahafantarina olona mihitsy ny tranga tamin’izany. Saingy nihombo ny aretiny amin’izao ka tsy maintsy nampahafantarina ny besinimaro ary tsy maintsy nalefa notsaboina any ivelany. Hosoratana ao anatin’ny boky volamena avokoa ny vidim-pidiran’ny rehetra ho avy eny an-toerana.

Mino

Partager sur: