Maro ny tanora no liana amin’ny kolontsaina sy mandala ny maha Malagasy. Izany indrindra no nikarakarana izao fankalazana izao hamerenana tsikelikely ny maha Malagasy sy
hambolena izany ao an-tsainy.
Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny tafatafa ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny momba ny fankalazana ny taom-baovao malagasy, karakarain’ny Tana Camping Club sy ny Moov on. Eny Antongona, ny 25 sy 26 marsa 2023 no hanatanterahana izany fankalazana ny taom-baovao malagasy izany. Tanjona ny hametrahana sy hamerenana ny maha izy azy ny kolontsaina, indrindra ny maha izy ny Malagasy amin’ ny toerana tokony hisy azy. “Saropiaro izahay amin’ny kolontsaina sy ny maha izy anay. Vinavinanay ny hametrahana andro iray ny taom-baovao malagasy ary hankalazan’ny Malagasy rehetra azy”, hoy i Rica Fernandez, mpandrindra voalohany ny Tana Camping Club sady mpanentana eo amin’ny lafiny kolontsaina, fantatra amin’ny anarana hoe Akory Rikiahy.
Sahala amin’ny firenena sasany manana ny tetiandrony, manana ny antsika ihany koa isika Malagasy. Ny azo ambara aloha hatramin’izao, manodidina ny 21 marsa sy 22 marsa 2023 ny taom-baovao malagasy. Manodidina io fotoana io no tsinana ny alahamady ka izay no hankalazantsika Malagasy ny taom-baovao. Mikarakara io fankalazana io ireto tanora mivondrona anaty fikambanana ireto. “Noho ny maha andro fiasana io andron’ny taom-baovao malagasy io, nofidina ny andron’ny 25 sy 26 marsa 2023, ahafahana mankalaza ny taom-baovao malagasy. Hisy ny fanatanterahana ny fomba rehetra tahaka ny fandroana sy fihinanambe ary ny afo tsy maty”, hoy i Rica Fernandez. Ankoatra ny fanatanterahana ny fomba efa fanaon’ny razambentsika taloha, hisy ny hetsika isan-karazany mandritra ireo andro ireo.
“Manentana ny Malagasy tsy vakivolo mba hankalaza ity fotoan-dehibe eo amin’ny Malagasy ity. Fotoana hifampirariana soa sy hifampizarana ny mahasoa eo amin’ny samy Malagasy”, hoy ny tomponandraikitra. Mbola hisy ny hetsika isan-karazany hanehoana ny maha Malagasy hokarakarain’ity fikambanana ity.
Anisan’izany ny “Diavolana an-dasy” andiany fahafito, hetsika hampilalaovana ny mpandray anjara amin’ny alalan’ny kilalao malagasy.
Lin (Mpianatra asa)