Rabenoely Olynca, mpanoratra avy any Andapa, faritra Sava, no nosafidiana nampahanfantarina nandritra ny «Volana iray mpanoratra iray», nandritra iny volana nivalona iny. Nisy ny fihaonana nataon’ity mpanoratra ity tamin’ireo mpianatry ny CEG Antanifotsy ao Sambava, izay nokarakarain’ny fitalevam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina, faritra Sava. Ankoatra ny fampahafantarana ny mpanoratra sy ny sanganasany, naneho ny fitiavany ny teny malagasy sy ny literatiora ihany koa ireo mpianatra. Nifandimbiasan’ireo mpianatra ny antsa tononkalo, ka ny sanganasan-dRabenoely Olynca avokoa no natao tamin’izany. Nitantara angano tamin’ ireo ankizy ihany koa ny mpanoratra taorian’izay, ary nizara boky tamin’ireo izay liana indrindra tamin’ny fizarana.
Tsiahivina fa natao hampahafantarana ireo mpanoratra fanta-daza na tsia, isaky ny faritra rehetra manerana ny Nosy ny «Volana iray, mpanoratra iray». Hetsika maromaro no hatao mandritra izany, izay mety hahitana fampirantina ireo asa soratra sy ny mombamomba ny mpanoratra, ny fampahafantarana amin’ ny haino aman-jery ary ny fihaonana mivantana toa ity natao tany Sambava ity.
Zo ny Aina