Ratovo Valiha : « Tsy vitan’olon-tokana ny fampivelarana ny valiha »

Iray amin’ireo andrarezina amin’ny fitendrena sy fika­rohana momba ny valiha, Ratovo Valiha. Toerana sy sehatra ary firenena maro no efa nanehoany ny talentany sy ny voka-pikarohana vitany. Nilaza ny heviny momba ny fomba hoenti-manapariaka sy mampivelatra ny tontolon’ny valiha izy, omaly. «Tsy vitan’ olon-tokana ny fampivelarana ny tontolon’ny valiha», hoy Ratovo. Nohamafisiny fa ny fifarimbonana sy fifanampiana ary ny fifanakalozana no tena zava-dehibe.

«Samy efa niainga tamin’ ireo fikarohana na voka-pikarohana efa nisy taloha isika. Noho izany, mila atambatra ny hery mba hahita zava-baovao sy lehibe kokoa raha oharina amin’ny tany aloha», hoy hatrany Ratovo Valiha. Raha ny fanazavany hatrany, tsy tokony hisalasala hifanatona intsony ny mpitendry sy ny mpikaroka momba ny valiha fa efa fotoanany izao. Notsin­driny manokana ny tokony hanoratana boky momba ireny fikarohana vita ireny mba hitohizan’ny fikarohana ka hiampitan’izany any amin’ ireo taranaka any aoriana.

Raha tsiahivina, iray amin’ ireo nikaroka momba ny valiha «chromatique», Ratovo. Nahita fomba vaovao hoentina mitendry valiha ihany koa izy. Avy amin’ireo vokatra ireo (valiha chromatique sy fomba fitendry vaovao) no nahafahany mitendry karazan-kira maro faheno manerana an’i Madagasikara sy ma­neran-tany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: