Literatiora : mitohy ny velakevitra momba ny teny malagasy

Tanterahina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy, ao amin’ny efitrano Dox, ny velakevitra momba ny teny malagasy. “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora” io no lohahevitra hovelabelarina mandritra iza­ny. Ratsimbazafy Heriarilala, mpandala ny teny sy ny literatiora malagasy no hitarika izany. Ny fikambanana famoloana Telozoro no mpikarakara. Hetsika tanterahina isaky ny alarobia voalohan’ny volana.
Amin’ity hetsika ity, ny fahitana sy fandrenesana ny fandisoan’ny mpanoratra na mpiantsa ny literatiora ny teny malagasy no antony nanaovana izao famelabelaran-kevitra izao. Ny literatiora izay ani­san’ny fantsona ahafahana mampiroborobo sy mamerina ny hasin’ny teny malagasy, indrindra ho an’ny tanora sy ny ankizy.
Mandritra ity velakevitra ity, araka izany, no hanitsiana ny teny diso sy ny fanononana azy ireny mba hahatomombana ny fampitana ny hafatra.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: