Anjozorobe : nohamafisina ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana

Mitohy ny hetsika hametrahana ny fandriam-pahaleme­na ataon’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imeri­na Centrale. Afakomaly, nanentana ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Andranomisa, distrika Anjozorobe ny mpitandro filaminana. Voaresaka tamin’izay ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Hetsi­ka natao hisorohana sy hanafoanana ireo trangana fakana an-keriny eny ambanivohitra. Nitarika ny dinika tamin’izany ny kapiteny komandin’ny Vondron-tobim-paritra Imeri­na centrale. Voaresaka teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ny fanampiana isa ireo zandary any an-toerana, hanamafy ny fisafoana. Ao koa ireo fiambenan-kizo na ireo toerana mety ieren’ny jiolahy. Voa­dinika tao koa ny fiarovana isan-tanàna ary ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny mponina sy ireo vahiny eo an-tanàna.

Nilaza ny zandary fa ilaina ny hampitana vaovao marina sy ara-potoana mba hitandroana ny fandriam-pahalemana. Ilaina, araka iza­ny, ny fifanampiana sy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny zandary sy ny sivily hamongorana ireo tambazotra mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo.

Henintsoa H.

Partager sur: