Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso

Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana.

Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny fitsarana ny fifaninanana handraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Manara-maso akaiky ny fizotry ny fifaninanana izy ireo, araka ny toromarika anatin’ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Bianco sy ny CUA. Tanjona ny hanatanterahana ny fanadinana madio sy mangarahara ary ireo mendrika no ho voaray.
40 ireo inspecteur d’hygiène horaisina. 391 kosa ireo mpiadina nifaninana tamin’ny fanadinana an-tsoratra. Adina 4 no tsy maintsy hatrehina. Anisan’ny hanadinana ny mikasika ny fahalalana ankapobeny, ny fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH), ny fahaiza-miaina ary ny “test psychotechnique”.
168 no voafantina tamin’ ny dingana voalohany. Hia­trika ny fifantenana manaraka indray izy ireo.
Misy ny fanambarana ny naotin’ny adina an-tsoratra sy am-bava. Ny vaomiera manokana no miandraikitra ny déliberation. Mandalo an-tanantohatra marobe ny fitsarana ary manaraka ny fenitra napetraky ny minisiteran’ny Asa ary eken’ny Bianco. Ampiasaina ny “logiciel” “Aharihary” hi­ki­rakirana ny naoty ary aorian’ ny fifantenana ny naoty farany horaisina izay vao mivoaka ny anarana. Hanao fianianana eo amin’ny fitsarana ireo 40 afaka amin’ny fifaninanana ary ho tompon’andraikitra amin’ny asa hataony manomboka eo.
Ireo manana ny diplaoma bakalorea dia afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Tsy afaka mandray anjara ny mpiasan’ny kaominina hisian’ ny mangarahara tanteraka.

Hiasa eny amin’ny fokontany 192
Midina ifotony, manara-maso ny resaka fahadiovana sy fidiovana izy ireo rehefa am-perinasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fahadiovan’ireo sakafo masaka. Mandeha am­baratonga ny fampitandre­mana ataon’izy ireo eny ifotony. Fampitandremana am-bava, mitohy amin’ny an-tsoratra ary miafara amin’ny fanasaziana mety ho fakana ny entana mihitsy raha mitohy ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana. Manaraka ny bokin’ny CMH ny fitsipika sy lalàna ary ny sazy. Hiasa ao anatin’ny 192 fokontany ireo inspecteur d’hygiène ireo.

Tatiana A

Partager sur: