Nanandratra avo ny lazan’ny tenisy Malagasy Rasoarahona Ilo, nandritra ny fiadiana ny “Les Petits AS – Africa Play-Offs Wilson 2026”. Fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny, latsaky ny 14 taona. Tafita tao anatin’ny mpilalao efatra voalohany izy.
Tsy nitsanga-menatra Rasoarahona Ilo, hany solontena malagasy niatrika ny fifaninanana Les Petits As – Africa Play-Offs Wilson 2026, taranja tenisy, sokajy U14. Tafiditra ao anatin’ireo efatra voalohany “Top four” aty Afrika izy. Fifaninanana notanterahina tany Maroc, ny 2 ka hatramin’ny 6 novambra lasa teo, izay niadian-toerana ho an’ny famaranana lehibe amin’ity Les Petits AS ity. Tsara ny vokatra na tsy nahazo ny tapakila hiatrehana izany aza i Ilo, araka ny nambaran-dRakotondramboa Miary Zo, mpanazatra. “Saika ireo mpilalao avy amin’ireo firenena magrebianina avokoa no tena manjaka amin’ny lalao tahaka izao, saingy tonga hatreto amin’ny manasadalana i Ilo”, hoy izy.
Raha tsiahivina, resin’i Ilo teo amin’ny fihodinana voalohany ilay maraokanina, i Lahlou Mohamed Reda. Seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/0) no nisarahan’izy mirahalahy. Taorian’ io, nandavo ilay tanzanianina, i Thomas Zion Francis, tamin’ ny seta 2 (6/0 ; 6/0) ihany koa izy. Fihodinana fahatelo, nanilika an’ilay alzerianina, i Kahlat Manil, izy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/1). Teo amin’ny ampahefa-dalana, nandresy ilay tonizianina, i Ben Romdhane, 6/2 ; 6/3. Nifarana teo amin’ny manasa-dalana ny dian’i Ilo, raha nidona tamin’ilay egyptianina, i El Tayyar Marwan. Niondrika tamin’ny seta 2 (2/6 ; 2/6), izy. Tsiahivina fa misolo tena an’i Afrika amin’ny famaranana lehibe hatao ny 2027, ireo roa voalohany, lahy sy vavy. Karazana “Mondial” kely ity Les Petits AS ity satria hidona avokoa ireo solontena amin’ny kaontinanta dimy. Nialoha io fifaninanana io, niatrika ny “circuit ITF” Cat Grade 3 koa i Ilo ka resy teo amin’ny manasa-dalana ihany koa.
Tompondaka





