Notontosaina omaly, teto Antananarivo, ny andro fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly. Mbola mihazona ny lohany hatrany ny ekipan’ny zandarimaria nasionaly GNFC, izay manana isa 25, na dia nanao ady sahala, 2 no ho 2, tamin’ny Racing FC avy atsy Boeny aza ry zareo, omaly, tetsy Betongolo. Niady tanteraka ny lalao. Tsara ny mampahatsiahy fa ny zandary no nitarika 2 no ho 0, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ary nanenjika hatrany ny mpilalao avy atsy Boeny. Ho an’ny ekipan’Analamanga Disciples FC, nosahiranin’ny FC 2A 3FY plus, ry zareo, omaly, tetsy Ambohidratrimo. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ihany koa ny roa tonta, saingy efa tany amin’ny dimy minitra tsy hiravan’ny lalao, faha-85 min, vao nahasahala ny baolina ny Disciples Espoir Analamanga. Hafana tanteraka ny andro roa farany, izay hotontosaina eto an-dRenivohitra ihany, ny alakamisy sy ny alahady ho avy izao. Tsara marihina fa raha mahita fandresena fotsiny ny GNFC amin’ny lalao manaraka eo, azo lazaina fa tompondaka alohan’ny fotoana ry zareo. Hiady ny faharoa kosa ny Disciples Espoir Analamanga sy ny Racing FC ary ny Wagner, raha tian’izy ireo ny hiakatra “pro ligue” amin’ny taona manaraka.
Fitia Randria





