Moto iray no niharan-doza tetsy amin’ny lalam-baovao Makis Andohatapenaka, omaly hariva. Nandeha taorian’ny fiara kely iray izy saingy nibolisatra ka nifatratra tao ambanin’ilay fiara teo alohany. Nalama noho ny fisian’ny orana ny lalana ka antony nahatonga ny loza. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany.
Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny vehivavy iray 31 taona, voarohirohy tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina ((Heroine). Rehefa avy noentina teo anivon’ny fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy. Voasambotra tao an-tranony tetsy Ankorondrano Atsinanana, ny alatsinainy tolakandro teo izy, ka nahatrarana fonosana zava-mahadomelina miisa 88.
Sokatra miisa 08 no tratran’ireo polisy avy ao amin’ny Détachement FIP tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manambaro, ny 09 Novambra 2026 teo. Sarona tao anaty fiara nitondra saribao avy any amin’ny Kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo ireo biby arovana ireo. Taorian’ny fanadihadiana, renim-pianakaviana iray no voasambotra.
Dahalo rain-dahiny roa, malaza ratsy amin’ny halatra omby, lavon’ny zandary tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsarazaza, Distrikan’i Fandriana, ny 08 novambra 2026 teo. Lavo nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary ny tenany. Nahitana basy iray sy bala calibre 12 miisa roa teny aminy. Omby miisa 08 tsy nanana taratasy ara-dalàna ihany koa no hita tsy lavitra teo.





