Fihaonamben’ny Ankizy: Nisolo tena an’i Madagasikara i Fredine

Nanainga avy any Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana, ho any Paris, Frantsa, i Fredine izay mpisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny Unicef Madagascar. Nisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « Forum de Paris sur la Paix » sy ny Fihaonamben’ny ankizy notanterahina tamin’ity herinandro ity nandritra ny roa andro izy. Nandray fitenenana nandritra ny adihevitra « Children First » izy ka nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fanabeazana amin’ny fanomanana ny hoavin’ny ankizy. Voaasa tamin’ny fihaonana tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Paris ihany koa ka afaka nifampiresaka tamin’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana sy fampiroboroboana ny zon’ny ankizy.
Mandray ny Fihaonamben’ny ankizy koa ny Forum ka tanjona ny hanatsara ny tontolo iainan’ny ankizy. Nifototra amin’ ny lohahevitra telo ny fivoriana: ny fiantohana ny fisitrahana fanabeazana, ny fiarovana ny ankizy mandritra ny ady ary ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy ny fitaovana niomerika. Vokatra andrasana aorian’ny fivoriambe ny fanambarana avy amin’ireo firenena mpandray anjara ham­pidirana ao anatin’ny fanapahan-kevitra politika ny filan’ny ankizy.

Vonjy

Partager sur: