Oniversiten’i Toamasina : Nijery ny fizotry ny asa ny Banky iraisam-pirenena

Nijery ifotony ny fanare­nana natao, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani teny anivon’ny oniversiten’i Toa­masina, ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena. Nia­rahana tamin’ny sampana misahana ny etika sy ny ra­riny, notarihin’i Lisa Rosen sy ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck, ny fiandohan’ny herinandro teo, izany. Mitohy ny asa ary efa hiditra amin’ny famaranana ny teknisianina. Voaresaka koa ny fananganana efitrano fampianarana vaovao sy ny toeram-piasan’ny mpandraha­raha izay simba tanteraka. Tanjona ny hahafahana ma­nohy ny asa rehetra sy ny famaranana ny taom-piana­rana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra anatin’ny tontolo mirindra.
Nitsidika ny « hubs numériques » sy ny fanavaozana ny Demi-tonneau ny delegasiona nandritra izany. Vita ny fanarenana ny tafo sy ny fandokoana ny fotodrafitrasa ary hofaranana amin’ny fampitaovana ny efitrano amin’ny latabatra sy ny seza izany, amin’ny volana desambra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Fid.
Nohatsaraina koa ny tontolo manodidina ny efitrano fianarana. Nankasitraka ny Banky iraisam-pirenena sy ny mpiray ombon’antoka rehetra nanohana tamin’ny fanarenana ny solontenan’ny fitantanana ny oniversiten’i Toamasina, Dr Caroline Feno Pierre, izay filoha lefitra misahana ny fampianarana sy ny fiofanana ary ny fikarohana.

Vonjy

Partager sur: