COP 31: Miandrandra fanampiana ara-bola azo antoka i Madagasikara

Fampitomboana ny famatsiam-bola ho amin’ny fampifanarahana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny endrika fanampiam-bola tsy averina, miaraka amin’ny fisitrahana mivantana izany.

Izay no anisan’ny andrasan’i Madagasikara amin’izao fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fiovan’ny toetr’andro (COP 31) any An­talya, Torkia, izao, araka ny kabarin’ny filohan’ny Fana­vao­­zana, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, afakomaly. Tokony hifanaraka amin’ny laharam-pahamehana nasionaly toy ny rano, ny fiarovana ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa sy ny faritra amorontsiraka ary ny tontolo iainana izany. Eo koa ny fanomezan-danja ny anjara birik’ireo firenena manana tahirin-karbonina ary fama­tsiam-bola ho an’ny hetsika mialoha ny fisian’ny loza. Farany, ny fanohanana ny fampiasana angovo madio, izay tokony hiteraka asa sy fampandrosoana ny toekarena.
Tsy hahazoam-bokatra ireo tanjona ireo raha tsy misy famatsiam-bola azo antoka sy mahomby. Efa nametraka fangatahana famatsiam-bola amin’ny tahirim-bola ho an’ny fatiantoka sy ny fahavoazana noho ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Maniry ny hahazo loharanom-bola ma­haritra sy mifanaraka amin’ny filana. Mba hiatrehana ireo loza mahery vaika sy ireo fiovana noho ny fiovan’ny toetr’andro izany. Maniry ny handray anjara mavitrika koa i Madagasikara sy ho lohalaharana amin’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny toetr’andro, ary hahazo ireo fanohanana sy loharanom-bola ha­hazoana manatanteraka izany.
Miantso amin’ny andraikitra iombonan’ny rehetra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana mbola misy ankehitriny ny filoha. “Miankina amin’izay tontolo iainana ananantsika ankehitriny izay ny hoavin’ny zanak’olombelona ka ilaina ny mampihatra ny paikady rehetra hiarovana azy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: