Famokarana savony : « Hamono ny orinasa indostrialy madinika ny haba 30% », hoy ny mpandraharaha

Araka ny tatitry ny mpandraharaha, hisondrotra ho 30% ny haba fanafarana akora fanamboarana savony « bondillons » raha 20% teo aloha. « Hamono ny orinasa indostrialy madinika io fisondrotana io », hoy izy ireo.

Efa nampidirina eny amin’ny Antenimieram­pire­nena, nanomboka ny 30 oktobra teo, ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI 2027). Taitra ireo mpandraharaha manana orinasa indostrialy madinika, mamokatra savony, nahita fa hiakatra 30% ny haba fana­farana ny akora « bondillons », raha 20% tamin’ny LFI 2026. Nila­za i Ajij Mounir, mpiray ombon’antoka ao amin’ny orinasa mamokatra ny marika « Seim », fa raisinay ho famonoana ny orinasa indostrialy madinika eto an-toerana io fampiakarana ny hetra io. Misy sokajy telo ny famokarana savony. Voa­lohany, ny mampiasa akora fototra menaka « huile de palme », hahodina ho savony, hakana haba 5%. Fa­haroa, ny « bondillons », savony vita amin’ny ampahany, nakana 20%. Fahatelo, ny savony efa vita, nafarana avy any ivelany, amidy avy hatrany eny an-tsena, tataovana 30%. Raha ny PLFI 2027 anefa, hampitoviana, raisina ho vokatra vita ny « bondillons », ka ho tataovana 30%. Nefa mbola misy asa fanodinana indostrialy (produit semi-finis) atao, mampiasa olona aman-jatony, ampiasana akora hafa, vao tena lasa savony azo ampiasaina. Manodidina ny 8, toy ny orinasa Sahva, ny Socita Sarl tompon’ny marika savony Seim, sns. Tsy misy maha samihafa ny « bondillons » sy ny akora efa voahodina hafa toy ny plastika, izay mbola havadika ho kojakoja fantsona « PVC », ny takelaby havadika ho tafontrano (tôle), sns.
Mizaka ny vokany ny mpanjifa

Tena manjifa ny savony vo­karina eto an-toerana ny va­hoaka sahirana. Notsorin’ ireo mpitantana orianasa in­dostrialy ireo fa miantraika mivantana any amin’ny mpanjifa ny fisondrotan’ny hetra toy izao. Va­haolana aroson’izy ireo ny hijeren’ny tomponandraiki-panjakana ity voarakitry ny PLFI ma­hakasika ny sehatry ny savony ity. Miantso fifampidinihana koa izy ireo. Satria, ny politika fampiroboroboana ny orinasa ma­dinika, miteraka asa ho an’ny besinimaro, no filamatry ny fanjakana, ary ao anatin’izany ny sehatry ny hetra sy ny haba.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: