Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny tolotra eto Madagasikara ny fankatoavana ny fifanarahana SADC momba ny varotra tolotra. Nankatoavin’ny Antenimierampirenana nandritra ny fivoriana natao ny alarobia teo ny tolo-kevitry ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana momba ny fifanarahana mifehy ny varo-draharaha ao anatin’ny SADC. Laharana faha-14 amin’ireo firenena mpikambana 16 nankatoa izany i Madagasikara. Fifanarahana izay nanan-kery nanomboka ny taona 2022. Manan-danja lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny tolotra noho izy mitondra anjara biriky hatrany amin’ny 50% ny harinkarena faobe (PIB). Ankoatra ny fampidiram-bola vahiny, mbola sehatra misarika fampiasam-bola, mamorona asa ary manohana ny famokarana sy ny fanondranana entana ihany koa izy. Manatsara ny fahafaha-mifaninana sy mampivelatra ny fifanakalozana ara-barotra ny fifanarahana. Mikendry ny hametraka rafitra ara-dalàna iombonana mifehy ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny sehatry ny tolotra amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC izany. Hanamora ihany koa ny fampiasam-bola ka hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena isam-paritra. Dingana iray hanitarana ny fahafahan’ny mpandraharaha miditra eo amin’ny tsena isam-paritra izany.
Henintsoa





