Sarimihetsika malagasy : Hivoaka any Antsirabe ny “Tandroka”

Hiavaka ny ao Antsirabe sy ny manodidina, ny alahady 15 novambra izao. Halefa any an-toerana ilay sarimihetsika malagasy “Tandroka”. Hotanterahina ao amin’ny Fokrifa Antsirabe izany, hisy fidirana indroa. Fidirana voalohany amin’ny 1ora sy sasany. Ny faharoa kosa, amin’ny 3 ora sy sasany. «Tandroka», sarimihetsika ahitana fifanjevoana sy valifaty, mampitaintaina. Afaka hisintonana lesona ihany koa.
«Mikarakara izany ny tarika Bira Ti’Art, mpilalao tantara amin’ny onjam-peo sy eny an-tsehatra. Tafiditra amin’ny hetsika fanamarihana ny faharoa taonan’ny tarika izao fandefasana sarimihetsika malagasy izao», araka ny nambaran’ny filohany, Yanita Parson.
«Anisan’ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo sy eny an-tsehatra efa manomboka mipetraka amin’ny toerany sy manana ny maha izy azy ao Antsirabe ny tarika Bira Ti’Art», hoy izy. Noho izany, «miara-miasa amin’ny fiangonana sy sekoly na fikambanana izahay amin’ny fanatanterahana izany seho an-tsehatra izany, mba hanatrarana ny tanjona dia ny fizarana ny kanto sy ny fanabeazana feno amin’ny maha olona», hoy hatrany i Yanita Parson. Marihina fa milalao tantara ao amin’ny Kolo FM 88.8 ao Antsirabe ihany koa ry zareo ireto.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: