Sehatra bagasy: Hizara traikefa i Mbosa

Ny zoky sy andrarezina ary vato namelan-kafatra no hiaka-tsehatra ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, anio tolakandro. Mbosa Rabenasolo, manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny bagasy, hiran’ny omaly, kalon’ny fahiny, hira teatraly, kalon’Imerina. «Atrikefa bagasy Mbosa Rabenasolo», hitondrany velakevitra sy fanazavana momba ny kolontsaina sy ny gadon-kira bagasy. Haingoin’ny hiran’olon-tokana sy olon-droa kaloiny miaraka amin’i Mimi vadiny. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kira: «Misy kalokalontsika» (Justin Rajoro), «Iarivo fonenana» (Naka Rabemanantsoa), «Raha lavitra an’Iarivo» (Andrianary Ratianarivo), «Izany ny any aminay» (Samuel Rahamefy) sy ny maro hafa.
Marihina fa iray amin’ireo nanangana ny «Association théâtrale et artistique des universitaires de Madagascar« na ny «Ataum», teny amin’ny Oniverstiten’i Madagasikara (Oniversi­ten’Antananarivo ankehitriny) i Mbosa Rabenasolo. Mihira, mitendry zavamaneno tahaka ny piano sy ny «accordéon» izy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: