Taranja Malagasy sy matematika : 170 ireo nahavita fiofanana tao Farafangana sy Vondrozo

Notanterahina tao Fara­fangana, tamin’ity herinandro ity, ny lanonana fanolorana mari-piofanana, manambara ny fahavitan’ny fiofanana amin’ ny taranja malagasy sy matematika. Nokarakarain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fampiofanana fototra (Déve­loppement de la formation initiale) izy io. Niaraha-miasa tamin’ny Family Health Inter­national 360 ary vatsian’ny Fondation Hempel ara-bola, ao anatin’ny tetikasa Fiana­rana tsara orina (Fiantso).
Miisa 170 ireo nahazo izany ka ny 131 tamin’izy ireo no avy ao Farafangana ary ny 39 kosa avy ao Vondrozo.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ity fiofanana ity. Ho fampivelarana ny fahaiza-mampita fahalalana amin’ny taranja fototra dia ny teny malagasy sy ny matematika. Ny CRFRP Farafangana no ivontoerana nandrindra ny fanatanterahana, nahakasika ny Zap Amba­tolampy, ao anatin’ny Cisco Farafangana, Dren Atsimo Atsinanana, izany.
Nanotrona ny lanonana ny lehiben’ny Faritra Atsimo Atsi­nanana, Randrianasolo Vola­tiana Pauline sy ny tale jeneraly mpisolo toerana eo ani­von’ny INFP.

Vonjy

Partager sur: