INDRAY MIJERY

Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny diabeta, hisy ny hetsika karakarain’ny Amadia, rahampitso, manomboka amin’ny 8 ora hatramin’ny 12 ora, ao amin’ny Clinique Amadia Faravohitra. Ho hita ao ny fitiliana diabeta sy tosidra. Hisy tranoheva tazomin’ny ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny diabeta koa eny an-toerana. Manomana famelabelarana miaraka amin’ny lohahevitra manodidina ny diabeta ny mpikarakara. Olona iray amin’ny roa maneran-tany no voan’ny diabeta nefa mbola tsy mahafantatra izany.

Notanterahina ny alarobia lasa teo ny fanadinana, teoria, famaranana ny «formation professionnelle qualifiante» (FPQ), taranja «coiffure». Natao omaly kosa ny fanadinana fampiharana. Any amin’ny faritra miisa fito dia Analamanga, Vakinankaratra, Boeny, Diana, Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Alaotra Mangoro no nanaovana izany. Miisa 406 ireo mpiadina voasoratra anarana. Sivy ny foibem-panadinana natokana ho an’ny fanadinana teôria, raha 37 kosa ireo toerana hanatanterahana ny fanadinana fampiharana.

Nanomboka ny volana janoary lasa teo ka hatramin’izao, miisa 150 ireo mpandraharaha nisitraka fiofanana nokarakarain’ny fitaleavana misahana ny maha olona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Anisan’ny fiofanana natolotra ny teknikan’ny asa fanaovan-tsoratra, ny fifandraisana, ny fitantanan-draharaha sy ny fotoana. Teo koa ny informatika sy ny teknika fanoratana ary ny fampianarana teny sinoa ao amin’ny ivontoerana Confucius.

Partager sur: