Notontosaina afakomaly teto Antananarivo, ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly. Mbola mihazona ny lohany hatrany ny ekipan’ny zandarimaria nasionaly GNFC, manana isa 28, ary voahosotra ho tompondaka mialoha ny fotoana rehefa nandresy ny Tia Kitra FC, tamin’ny isa, 3 no ho 0, teny Ambohidratrimo. Tsy resy mihitsy, hatreto, ny GNFC. Ady sahala iray ihany ny vokatra ratsy indrindra ho azy ireo. Hafana tanteraka ny andro farany, rahampitso, indrindra ho an’ny Disciples Espoir Analamanga sy ny Racing FC Boeny. Ekipa roa samy lavo teo amin’ny andro fahafolo. Ny Disciples, izay resin’ny Wagner, 2 no ho 1, ary ny Racing, lavon’ny FC 2A 3FY Plus, 1 no ho 0. Ireto klioba roa ireto, izay hiady ny laharana fahatelo amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Tsiahivina fa manana ny lanjany lehibe izy ity satria izay mendrika no miakatra amin’ny fifaninanana diviziona voalohany “Pro ligue”. Tsy mbola voafaritra mazava ny isan’ireo klioba miakatra amin’ny diviziona voalohany.
Fitia Randria





